Nitondra fanazavana manoloana ny fiampangana na koa ny fanakianana azy ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ ny mpampaka-teny, i Soava Andriamarotafika. Tao anatin’ izany ny filazana fa nihazakazahana sy nirotorotoana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Nambarany fa efa mazava ny tetiandro nofaritana tany am-piandohana ny hanaovana ny fifidianana ny 9 novambra ka napetraka tamin’ izany avokoa ireo daty samihafa mifandraika amin’izany. “Nahemotra ho 16 novambra izany ka tsy maintsy nofaritana araka ny tratra koa ny hamoahana ny safidim-bahoaka”, hoy izy. Anisan’ny nanafaingana izany ny nampiasana ireo fitaovana sy kojakoja informatika teo an-tananan’ny Ceni ka nahatrarana anaty fotoana fohy ny fironan’ ny voka-pifidianana, araka ny nambarany. Niezaka ny rehetra tamin’ny asa natao. “Hampitombo ny ahiahy sy ny tsikera koa anefa raha mitarazoka ny famoahana ny voka-pifidianana. Tratranay tao anatin’ny fotoana fohy ihany anefa ny famoahana izany”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nohazavainy fa anjaran’ny HCC ny mandinika ny fahamarinam-pototry ny tsy fitovian’ny tatitry ny voka-pifidianana (PV). “Tsy manana fahefana hanova na hanitsy izany izahay eto anivon’ny Ceni”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny avy eo fa niezaka niasa tao anatin’ny mangarahara sy ny tsy fitanilana ity rafitra mpikarakara fifidianana ity.
Synèse R.




