Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny fametrahana vokatra na “Produit” sy toerana na “Localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra amin’ny famindrana sorabola anaty fandaharanasa “Aménagement de crédit” ahafahana manorina ireo birao ho an’ny faritra Ambatosoa sy ny any Vatovavy izany ary koa ho an’ny prefektioran’i Maroantsetra.
Hotanterahina aorian’ny fametrahana ireo faritra vaovao ny asa fanorenana.
Etsy andaniny, nankatoavina ihany koa ireo asa fanajariana ny toerana hanatanterahana ny asa ary ny fampidirina rano. Tapaka tamin’izany koa fa ny 20% amin’ny tetibola no hampiasaina ho amin’ity taona 2023 ity ho an’ny asa fanorenana ny trano.
Nankatoavina koa ny handoavana ny latsakemboka anjara volan’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny vondrom-paritra Comesa sy ny Sadc ary koa ny ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’i Afrika sy Karaiba ary i Pasifika (OEACP).
Synèse R.




