Fiketrehana fanakorontanana : handray fepetra hentitra ny Emmo/Nat

Nanao fanambarana ireo lehiben’ny Emmo/Nat amin’izao hiatrehana ny famoahana ny voka-pifidianana izao. Tsy hanaiky ny mety ho fanakorontanana ny mpitandro filaminana.

Nambaran’ny lefitry ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika misa­hana ny hetsika ara-miaramila, ny Jly Andrianasimanana William, omaly, fa tsy azo ekena ny endrika fanakorontanana amin’izao hamoahan’ny HCC ny vokam-pifidianana izao. “Fotoana iandrasan’ny vahoaka ny voka-pifidianana hanendrena ny filohan’ny Repoblika izao. Antenaina fa hiandry am-pitoniana izany ny vahoaka ka tsy azo ekena ny endrika fanakorontanana na mivantana na ankolaka na avy ato anatiny na ivelany”, hoy izy tetsy amin’ny Toby Ratsi­mandrava. Nanteriny fa fanakanana ny fampandrosoana ny firenena hoentin’ny mpitondra vaovao ho avy eo izany. Tsy fotoan’izany intsony izao. Tany tan-dalàna ny eto ary ny hevitra samy manana ny azy, araka ny nambarany.

Lehibe faratampon’ny Foloalindahy

Mazava ny an’ny vahoaka fa ny hambaran’ny HCC eo no hitondra ny firenena… “Ankatoavinay ho lehibe faratampon’ny Foloalindahy ny filoha voafidy eo”, hoy ihany izy. Nahitsy ity manamboninahitra eo anivon’ny Emmo/Nat ity nilaza fa hampitaina amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany ny baiko momba izany ho amin’ny fampiharana ny lalàna. Demokraty isika ka tokony hahay resy ary ny mpandresy koa mba tsy hanafintohina ny sasany, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, hentitra ny baiko fa toromarika avy amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana ihany no afaka manome alalana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foloalindahy vao misy afaka maneho hevitra.

Synèse R.

Partager sur: