SOMBIM-BAOVAO

Hanaraka fiofanana any amin’ny klioba frantsay D2, Paris FC, ny Malagasy mpanazatra Barea, Rakotondrabe Romuald Felix. Natao hampivoarana ny Malagasy teknisianina izany. Tsiahivina fa fanamby goavana no miandry an’i Rôrô, handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”.
Nihemotra tany amin’ny faha-109 ny laharan’i Madagasikara raha ny filaharana navoakan’ny FIFA omaly. Tsiahivina fa teo amin’ny faha-108 no nisy azy ireo teo aloha. Azo lazaina fa tsy ampy nampiakatra an’i Madagasikara ny fandresena tamin’ny isa 3 no ho 0 nanoloana an’i Tchad.
Mikarakara katrok’ady goavana, ny klioban’ny Alpha Kickboxing Manakara, ho fankalazana ny faha-30 taonany. Fifaninanana hiarahana miasa amin’ny Federasiona malagasin’ny Kickboxing, izay hatao ny 23 desambra izao, any Manakara.
Hanomboka ny alahady 3 desambra izao, ny
fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny Kianjan’Itaosy. Marihina fa ny andro voalohany no hotontosaina amin’io alahady io ary efa fantatra avokoa ny fandaharam-potoana sy ireo ekipa hifanandrina. Haharitra hatramin’ny tapaky ny volana desambra ny fifaninanana.

Partager sur: