INDRAY MIJERY

Nanaovana andrana tao amin’ny dis­trikan’­ Ifanadiana sy Soavinandriana ny pilina misy singam-pamelomana, ahitana vitamina 10 sy mineraly dimy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka. Nahazoana vokatra nahafa-po ny tetikasa. Manampy ny reny bevohoka; mampihena ny taham-pahafatesana eo am-piterahana sy mampirindra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza io pilina io
Mety hanamora ny fiforonan’ny afo sy ny fiparitahany ny fepetra mifandraika ny toetry ny andro, araka ny fanamarihan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro ka mila mailo ny rehetra. Ny faritra atsinanan’ Analamanga sy ny tapany andrefan’Alaotra Mangoro ary ny moron-dranomasin’ny faritra Sava ihany no tsy voakasiky ny fampitandremana.
Atao ao Antsirabe, amin’ity herinandro ity, ny jery todika momba ny ady amin’ny tiberikilaozy tanterahin’ireo mpisehatra amin’izany aretina izany. Hoha­mafisina hatrany ireo paikady rehetra azo hatao momba ny fisorohana. Maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana ny tiberikilaozy manerana an’i Madagasikara.
Ny 29 novambra teo no nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny aretin’ny fihetsika. Fanen­tanana ny tobim-pahasalamana no natao, indrindra ireo misy Neurologue. Efa misy isaky ny faritany rehetra eto Madagasikara izany. Voakasik’izany ireo olona manana olana amin’ny fihetsiky ny rantsam-batana na ny
vatana manontolo, mety mangovitra tanana na loha, mihenjana.

Partager sur: