VAOVAO TAMBATRA

Nahazo kamiao miisa dimy sy moto 50 ny Jirama, ao anatin’ilay tetikasa LEAD, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Entina hanatanterahana sy hanafainganana ny “fampidiran-jio mora” sy ny fampidiran-jiro mahazatra efa nahaloa sarany (dévis) ireo fitaovam-pitaterana ireo.

Hanomboka amin’ny 15 desambra 2023 ny fanavaozana ny karatra ho an’ny mpanangom-bokatra an-dranomamy sy an-dranomasina ary hifarana ny 31 marsa 2024 izany. Ho an’ireo haka karatra vaovao, tsy maintsy aloa amin’ny alalan’ny taratasim-bola (chèques) ny saran’ny fanangonam-bokatra mihoatra ny 100 000 Ar.

Manara-maso akaiky ireo entana amidy eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe sy mpivarotra mpaninjara eto an-drenivohitra ny tomponandraikitra voakasik’izany hiarovana ny mpanjifa amin’izao fidirana amin’ny vanim-potoan’ny fety izao. Mbola hotohizana any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy ny hetsika.

Maherin’ny 15 000 palettes ny letisia nentin’ny sambo telo mitatitra ny vokatra malagasy mihazo an’i Eoropa sy Rosia. Niainga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina nitondra palettes 5 376 isa tamin’izany ny sambo Baltic Klipper raha toa ka 7 828 ho an’ny CS Trust. Nitondra letisia 2t nihazo an’i Rosia kosa ilay sambo Crown Saphire.

Partager sur: