Namoahan’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac) didy fampisamborana ny Tale jeneraly roa nifandimby tao amin’ny Jirama. Maro ny vesatra iampangana azy ireo.
Niakatra teny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), ny alatsinainy teo, ny raharaha Jirama. Miisa 40 ny mpiasa sy mpitantana ity orinasam-panjakana ity voaantso teny. Naiditra am-ponja vonjimaika ny telo, izay tale teo aloha ny misahana ny Maha olona (DRH), sy ny fitantanana ny toeram-pitsaboana Jirama ary ny tale ara-bola. Nalefa nody kosa ny 37, saingy arahi-maso ara-pitsarana. Isan’ny voaantso teny amin’ ny Pac, saingy samy tsy nisy tonga ny tale jeneraly teo aloha, Andriamanga Vonjy sy ny talen’ny kabinetra iray tamin’ny fotoana nitantanany. Toraka izany ny tale jeneraly (DG), am-perinasa, Radanielina Rivo. Vokany, namoahan’ny Pac didy fampisamborana izy telo.
Raharaha maromaro no fiampangana azy ireo, araka ny vaovao avy any amin’ny Pac. Fanodinkodinana volam-panjakana, kiantranoantrano mikasika ny fizarana fanampin-karama (prime de performance), sns. Eo koa ny tsy fanajana ny fitsipika mikasika ny fahazoan’ny mpiasa fiarakodia avy amin’ny Jirama, tsy nandalo antso tolo-bidy sy ny filankevi-pitantanana.
Tsy misy tohiny
Ankoatra ireo, nisy koa ny halatra gazoala tao amin’ny Jirama. Raha ny tatitry ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), maherin’ny 1.950.000 litatra ny fitambaran’ny gazoala very tao amin’ny Jirama hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’izany ireo fiarabe roa nitondra gazoala nefa nanjavona tamin’ity taona 2022 ity. Mpiasan’ny Jirama telo no efa voarohirohy amin’ny halatra solika amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra ny tohin’ny raharaha.
Tamin’ny fiandohan’ny taona 2021, nisy raharaha hafa koa efa tonga teny amin’ ny Pac. Nisy olona efatra mpiara-miombon’antoka tamin’ny Jirama, voaheloky ny fitsarana sampana heloka bevava. Nanamelohana azy ireo ny famotsiam-bola, kiantranoatrano, fahazoan-karena tsy voamarina. Tsy fantatra ny tohin’ny raharaha.
Mitantana ny filankevi-pitantanana
Mandritra izany, notombanana ny asa vitan’ny tale miisa 48 ao amin’ny Jirama, efa ho andro vitsy lasa izao. Miisa 14 no hafindra toerana, fa tsy roahina, ary nijanona amin’ny toerany kosa ny 34. Tokony ho fantatra amin’ity herinandro ity ireo hosoloina.
Manoloana ireo, mitantana ny Jirama ny ao amin’ny filankevi-pitantanana. Nambaran’ ny minisitra Ramaroson Andry sy ny filohan’ny PCA, fa mbola hotombanana koa ny asa vitan’ny DG, Radanielina Rivo.
Raha ny mikasika ity farany, Radanielina Rivo, fantatra fa narary ny tenany. Mbola ao anatin’ny fotoana fakan’aina (convalescence). Amin’ny 9 desambra 2022, vao miverina miasa izy, saingy izao voasaringotra eny amin’ny Pac izao.
Njaka Andriantefiarinesy