Rafitra vaovao: hapetraka ny tsenam-bola

Antsoina hoe «Marché des capitaux» ny tsenam-bola, ahazoana manolotra ny eo am-pelatanana ho an’izay mila vola. Renivola mipetra-potsiny tsy miasa, nefa tokony hampiroborobo ny toekarena eto Madagasikara. Antony ilay tsenam-bola, miaraka amin’ireo manam-bola. « Ny zava-misy dia ny banky sy ny mpampindram-bola madinika ihany no tena mamatsy ny toekarena. Koa hametraka fiaraha-miasa akaiky amin’ireo manam-bola sy izay mila vola ny tsenam-bola », hoy ny Governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), Rabarijohn Henri.

Hiaraha-miasa amin’ny IFC*, ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ity tetikasa ity, efa manana traikefa avy any amin’ny firenen-kafa hahazoan’i Madagasikara maka izay mety hampiharana izany tsenam-bola izany.

«Ny an’ny banky efa misy io, manangona vola izy dia ma­mpindrana. Fa izay ma­nam-bola rehetra, indrindra ny orinasa lehibe, afaka manolotra izany eo aminy hampiroboroboana ny toekarena. Ho an’ireo izay mila vola, tsy voatery mankany amin’ny banky intsony, fa manao “emis­sion” dia afaka mamatsy vola ny orinasany». hoy ny Governoran’ny BFM.

10 miliara ariary isam-bolana azo atolotra

Fanadihadiana niarahana tamin’ny teknisianina amerikanina no nahafantarana fa misy io vola io. Misy hatramin’ny 10 miliara ariary isam-bolana ny azo atolotra raha ara-dalàna mifehy ny tsenam-bola, izay lamina azo itokisana, ka ha­nampy orinasa maro. Tsenam-bola hahafahana manampy orimasa maro, iaraha-miasa amin’ny Banky foibe sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola.

Hikaonan-doha mandritra ny roa andro ny fehezan-dalàna hapetraka eto Mada­ga­sikara, satria tsy mbola misy izany. «Isika tsy hamorona fa misy traikefa ho azo alaina avy any Namibie, Kenya, Maurice …hoentina amin’ity atrikasa ity jerena inona no mety amintsika Malagasy», hoy hatrany ny Governora.

Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra, fa “anisan’ny fanavaozana ny rafitra ara-bola ny fametrahana ny tsenam-bola”.

Ndrina
IFC* : International finance corporation

Partager sur: