Nasiaka ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana momba ny raharaha ady heloka bevava ny afakomaly, tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina. Dimy lahy voaheloka higadra mandra-pahafaty noho ny raharaha halatra taolam-paty.
Nilatsaka ny fanamelohana asa an-terivozona mandra-pahaty ho an’ ireo dimy lahy tompon’antoka tamina halatra taolam-paty, araka ny antontan-taratasin’ ady roa samihafa. Efatra hafa kosa voaheloka dimy taona, asa an-terivozona, miampy tsy fahazoana manitsaka ny faritra fiaviany. Raha hiverenana tsirairay, ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/23-3133-RP/20 anenjehan’ ny fitsarana an’i Manadahy Bonne Fête, voarohirohy tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana tao Mangarivotra Atsimo – Toamasina, ny 7 avrily 2022. Voaheloka asa an-terivozona an-tranomaizina mandra-pahafaty, raha efa voaheloka asa an-terivozona dimy taona mialoha izy. Amin’ny raharaham-pitsarana, izay lehibe indrindra no hampiharina raha misy fanamelohana samihafa amin’ny voampanga iray. Antontan-taratasin’ady laharana faha 93-Toa/23 2460- RP/22 anenjehan’ny fitsarana an’i Lezoma Gabriel, Lesabotsy Gabriel, Justin Marcellin, Raphael Bieveno tao amin’ny fokontany Anteteka Brickaville, ny 26 jolay 2022. Vaky fasana narahina halatra taolam-paty. Tsy nitsitsy ny fitsarana na dia nanao izay ho afany aza ny mpisolovavan’ireo voampanga. Loham-piampangana azy ireo ny fanimbazimbana fasana sy halatra taolam-paty. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny miampy onitra 10 tapitrisa Ar avy ho an’ny tompom-pasana.
Sajo