Voasambotry ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana ilay mpitari-posy namoa-doza tao amin’ny Boulevard Ralaimongo, 500 metatra tsy hidirana ny vavahady lehiben’ny seranantsambon’ i Toamasina, ny alakamisy 30 novambra teo, tamin’ny 6 ora sy 45 minitra. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fitandreman’io mpamily posy io ny raim-pianakaviana iray 68 taona. Nahitana kamiao nanana olana ka tsy afa-nandeha teo an-toerana tamin’io ora io. Kamiao iray koa nivoaka avy ao amin’ny vavahadin’ ny seranantsambo. Lavadavaka anefa ny lalana, tsy naharitra ny fivoahan’izay kamiao roa nifanehatra izay ilay posy mitondra mpandeha miisa
efatra mianaka. Tsy tapitapitr’ izay, nianjera ilay posy ary voatsenan’ ny kodiaran’ilay kamiao ny lohan’ ilay raim-pianakavina 68 taona. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana. Naratra mafy ireo zanany telo mirahalahy niaraka taminy. Taitra tamin’ io famoizan’ ain’ny mpandehany io ilay mpitondra posy ka nitsoaka nandositra.
Vao nandao ny vadiny
Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa vao nandao ny vady andefimandriny tao Antananarivo io raim-pianakaviana maty io. Niharam-boina vokatry ny lozam-pifamoivoizana koa io vadiny io. Anatin’ ny fialantsasatra sy fahaginana eo anivon’ny fianakaviany ao Ambalakisoa niaraka amin ny zanany izay kamboty reny io raim-pianakaviana io saingy izao tra-doza izao. Ny andron’ io ihany, efa nohazomina ao amin’ny polisim-pirenena ilay mpamilin’ny kamiao hanaovana fahadihadiana.
Sajo