Hiakatra fitsarana ny 16 janoary 2024 izao ireo kolonelin’ny Tafika roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanakorontanana, araka ny nambaran’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antanananarivo, omaly. Tazomina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana, araka izany, izy roa ireo.
Intelo voatafiky ny dahalo ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Bemahatazana, Bongolava, hatramin’ ny afakomaly. Omby maherin’ny 400 lasan’ny dahalo. Niezaka nanara-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana saingy nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ny dahalo ka tafatsoaka.
Dahalo mpangalatr’omby telo lahy matin’ny
fitsaram-bahoaka tao amin’ny fokontany Vohibe, kaominina Karianga, distrikan’i Vondrozo, afakomaly. Nitondra omby nandositra izy telo lahy ireo ka nifanenjehan’ny fokonolona. Tsy nanaiky ireto farany ka namono azy telo lahy.
Toeram-pianarana iray ravan’ny ora-nikija tao Amboasary Gara Moramanga vokatry ny ora-nikija, afakomaly alina. Nobatain’ny rivotra tamin’izany ny tafon’ny sekoly. Simba tanteraka ny dabilio fianaran’ny mpianatra.