Omena sehatra manokana eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ireo vehivavy mpanjaka tsy dia be mpahafantatra teto Madagasikara. Fikarohana lalina no nataon’ Andriarimanjaka Dina Nomena, tomponandraikitry ny fampirantiana.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « A la recherche des Betia ». Seho ranty, iarahana amin’Andriarimanjaka Dina Nomena, laharana fahatelo, tamin’ny fifaninanana « Prix Paritana 2023 ». Ny tantara sy ny maha izy ireo mpanjakavavy tsy dia be mpahafantatra teto Madagasikara no asongadina sy haseho amin’ity fampirantiana ity. Nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 31 desambra 2023 ity hetsika izay atao eny amin’ny Fondation H Ambatomena ity.
Fampirantiana manokana, voalohany ho an’Andriarimanjaka Dina Nomena, taorian’ny fiofanana sy fikarohana nataony, amin’ny maha mpandre-sin’ny fifaninanana “Prix Paritana 2023” azy. Aseho amin’ny alalan’ny haikanto vita amin’ ny lamba sy akora maro samihafa ny tantaran’ireo vehivavy nanjaka teto Madagasikara. Tanjona ny haneho ny maha izy azy ireo. Anisan’izany, Andrianjakamboniarivo Binao, Mpanjakan’ny Sakalava Bemihisatra, mpanjaka anisan’ny nahay namorona paikady sy nitondra ny fanjakany.
Araka ny nambaran’ity mpahay kanto ity, anisan’ny sedra ho azy tamin’ny fanatanterahana ny fikarohana ny tsy fahampian’ny raki-kevitra. Na dia teo aza anefa izany, niezaka hatrany Andriarimanjaka Dina Nomena namoaka ny haikantony araka ny zava-misy. Tsy nivaona tamin’ny tantara sy ny tena nisy anefa ny fampirantiana na dia teo aza izany ary vao mainka aza nampivoaka ny maha mpahay kanto azy.
Lin