Asa Consultance: omen-tsehatra ny tanora nahavita fianarana

Nihaona tamin’ireo mpianatra Ankatso ny orinasa FTHM consulting, omaly maraina. Nampahafantatra ny asana consultant sy ny traikefa ananany ary nanome tolotr’asa (speed recruting) ho an’ireo mpianatra rehetra eo anivon’ny Sampam-pianarana Toekarena, fitantanana, fiarahamonina (Degs), ny soka­jin’olona tilina tamin’ny fihaonana. Efa nahazo Master ny ankamaroan’izy ireo.
“Manodidina ny 500.000 ny tanora mivoaka isan-taona eto Madagasikara ka sarotra ny ampidirana azy ireo amin’ ny sehatry ny asa. Maro ny tanora tsy an’asa satria tsy maharaka ny orinasa mandray mpiasa”, hoy Ranjalahy Riaka, consultant ao amin’ny FTHM, antony nanaovana izao fihaonana izao. Tanjona ny hanampiana ny tanora nahavita fianarana sady hampihenana ny tahan’ny tsy fananan’asa, mba hampivoatra ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Takina amin’ny asa “con­sul­tant” ny toe-tsaina tia karokaroka, tia ilay asa ary vonona ny hiatrika ny zava-misy sy afaka mamaha ny olana ao amin’ny orinasa. “Natokana ho an’ireo efa manana fahaiza-manao io asa io raha ny tena izy, fa izahay eto amin’ny FTHM dia ampiofanina ireo tanora vao nahavita fianarana hiditra eo amin’ny tontolon’io asa io”, hoy hatrany ny fanazavana… Mbola hisy ny atrikasa natokana ho an’ny mpianatra eny an-toerana hiarahana amin’ny orinasa hafa. Mba hanamorana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa, hoy i Nadia Neaby, mpampianatra fiarahamonina (sociologie) eny Ankatso.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: