Taona 2019, namoronan’ Andriamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra) ny Groupe Young Messenger Praise. « Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gospel izahay. Na izany aza, heno hatrany ary mivoitra any anatin’ireo sanganasa ny maha Malagasy eo amin’ny fitendrena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira », hoy izy. Misandrahaka amin’ny gadona samihafa rahateo ny tarika mba hahafahana mampita ny hafatra ho an’ny sokajin’olona rehetra.
Ankoatra ny fandalinana tsy miato ny mozika, mampiavaka ny Groupe Young Messenger Praise ny fisian’ny fanabeazana ara-panahy amin’ ny alalan’ny fandalinana ny tenin’Andriamanitra sy ny fizarana izany. Manome sehatra ny mpikambana hizaran’izy ireo ny olana mety ho tojo azy eny anivon’ny fiarahamonina ka itadiavana miaraka ny vahaolana. Azo lazaina fa seha-panabeazana Young Messenger Praise.
Ampahany amin’ireo sanganasa efa tsy afaka am-bavan’ny maro izay nahafantarana ny tarika ny « Mila anao » sy ny « Mandondona » Andalam-piketrehana ny sanganasa vaovao sy ny hametrahana ny lafiny fandalinana ny dihy ankehitriny ry zareo amin’izao fotoana. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra vonona amin’ny fanabeazam-boho ny asa fitoriana izy ireo. 20 eo ho eo ny tanora lahy sy vavy mpikambana ao aminy.
HaRy Razafindrakoto