Tsy ampy ny herinaratra: mihamafy ny delestazy

Mandalo fotoan-tsarotra ny Jirama. Eo ny lafiny fitantanana, hanombanan’ny minisitera mpiahy ny ao amin’ny Angovo sy ny akoran’afo (MEH) ny tale rehetra, ny raharaham-pitsarana eny amin’ny Pac noho ny fanodinkodinam-bola. Olana tsy voavaha hatramin’izao koa ny tsy fahampian’ny herinaratra, no­ho ny tsy fahampian’ny herinaratra sy ny solika hanodinana ny milina mpamokatra.
Raha ny loharanom-baovao avy amin’ny Jirama, mi­hamafy ny haintany ka tsy ampy ny riandrano, indrindra ny aty afovoan-tany, manodina ireo toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano. Vokany, mihena 46 MW sisa ny toby any Andekaleka izay tokony ho 89 MW, izany hoe ny 51% ihany. Any Farahantsana Mahitsy, zara raha 3,3 MW sisa (12,69%) no herinaratra azo, raha tokony ho 26 MW. Any Mandraka, 8 MW sisa (33,3%) raha tokony ho 24 MW ary zara raha 2,2 MW sisa (7,85%) raha tokony ho 28 MW.
Marihina fa mamatsy ny 30%-n’ny filàna herinaratra ato anatin’ny tambajotra irai­san’Antananarivo (RIA) ireo toby avy amin’ny riandrano ireo. Etsy andaniny anefa, olana diavin’ny mpanjifa ity tambajotra ity ny fahasimban’ny milina eny amin’ny toby Anosizato, mamatsy ny tapany andrefana Antananarivo eo Anosizato hatrany Soavi­nandriana.

Njaka A.

Partager sur: