Rajoelina Andry : « Hafainganina ny fampandrosoana »

Nanambara ny fahavononany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mandritra io fitondrany manaraka io, Rajoelina Andry, filoha voafidy nandritra ny fifidianana farany teo.

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny valin’ny fifidianana filoham-pirenena ma­lagasy, natao ny 16 novambra 2023. Nambara tamin’izany ny fandresen’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Nilaza ity kandidà lany ho filoham-pirenena ity fa hafainganina ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary tsy hiandry ela ny fitondrana izay ho tarihiny fa avy hatrany dia hiasa.
«Ho filohan’ny Malagasy rehetra aho…», hoy Rajoelina Andry, nanoloana ny mpanao gazety, taorian’ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahalaniany ho filoham-pirenena malagasy. Maro ny vina hotanterahina ary tsy maintsy ho tohizana ireo efa natomboka, araka ny nolazainy. Hifantoka kokoa amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondrana hotarihiny amin’io dimy taona manaraka io. Anisan’ izany ny fitsinjovana ny marefo sy ny vehivavy ara-pivelomana. Eo ihany koa ny famokarana anatiny, izany hoe, ho vokarina eto Madagasikara avokoa ny entana tena ilain’ny Malagasy. Maro no hahazo tombony amin’izany, voalohany indrindra ny fisian’ny asa ateraky ny firoboroboan’ny se­hatry ny indostria, izay hampivoatra be ny sehatra ekonomika. Nandritra izany ihany koa no niantsony fitoniana ho an’ny Malagasy sy nanambarany ny fisokafan’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra.

Lin

Partager sur: