Teo am-pitotoana vary: olona efatra maty nilatsaham-baratra

Olona efatra indray maty nilatsaham-baratra tao amin’ny fokontany Ankofalava, kaominina sy distrikan’i Maroantsetra, ny zoma lasa teo. Nisy oram-be sy kotro-baratra tao amin’io fokontany io ka nirefodrefotra ny varatra. Nilatsaham-baratra ny trano misy milina fitotoam-bary an’ny raim-pianakaviana iray. Olona maro handeha hitoto vary no teo amin’io toerana io niaraka tamin’ireo mpiasa amin’ilay ozinina fitotoam-bary. Vokany, olona efatra maty tsy tra-drano (telo tamin’ireo mpitoto vary raha iray mpiasan’ny fitotoam-bary). Olona telo hafa kosa naratra mafy. Tamin’ny 5 ora hariva tamin’io fotoana io, naharay antso avy amin’ny ben’ny Tanànan’Ankofalava ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Maroantsetra ka tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza nanao fanadihadiana. Marihina fa tsy niandry ny fahatongavan’ny zandary sy ny dokotera ny fianakavian’ireo olona maty fa samy efa naka ny havany. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Maroantsetra ireo olona telo naratra.

Jean Claude

Partager sur: