Haintrano tetsy Ankasina: afa-mianaka niara-maty kilan’ny afo

Zaza iray taona ny iray tamin’ireo efatra mianaka maty kilan’ny afo tetsy Ankasina, ny alin’ny zoma 1 desambra teo, tamin’ny 11 ora alina.

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tetsy An­kasina, Boriborin­tany I, ny alin’ny zoma 1 desambra teo. Valo mianaka iray trano indray nohotohotoin’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy.“Tsy tafavoaka ny trano ireo lasibatra noho ny firedaredan’ny afo”, araka ny nambaran’ny fianakaviany. “Nanano sarotra ny famoahana azy ireo tao anatin’ny trano”, hoy ny nambaran’ny mponina eny an-toerana. Tafavoaka ny roa tamin’izy valo ka afaka namonjy hopitaly. Nentin’ny manodidina nihazo ny HJRA ireo enina sisa tavela. “Namoy ny ainy ny sabotsy teo anefa ny vehivavy iray noho ny voina nahazo azy”, hoy ny havany. Niara-maty taminy koa ny vadiny sy ny zanany lahy vao iray taona monja. Ankoatra ireo, zandrin’io lehilahy maty io, 13 taona, koa tsy tana ny ainy. Vokany, olona efatra maty.

Efatra miady amin’ny fahafatesana…
Ankoatra ireo, mbola mia­dy amin’ny fahafatesana ilay renim-pianakaviana sy ny zanany telo mianadahy. Mi­ezaka mitsabo azy ireo ao amin’ny Sampana vonjy aina ny mpitsabo amin’izao fotoana. Tsy fantatra mazava hatramin’izao ny anton’ny firehetana. “Avy amin’ny afon-tsaribao ka nandady nahazo ny labasy no nampiredareda ny afo”, hoy ny fanamafisan’ny fianakavian’ny mana-manjo. Etsy ankilany, manahy ho noho ny fifampikasohana herinaratra ny fianakavian’izy ireo sasany. “Vao nampidirana jiro ny herinandro teo ny trano”, hoy izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: