Maty norasarasain’ny jiolahy antsy ny raim-pianakaviana iray tao Ambolomadinika, Toamasina, ny sabotsy 2 desambra teo. Lasa ny vola an-tapitrisa.
Tsy tana, ny alahady maraina teo, ny ain’ilay lehilahy lasibatry ny asan-jiolahy hitan’ny mpitandro filaminana nihosin-dra tao Ambolomadinika, ny faran’ny herinandro teo. Zanaka mpandraharaha ao Ambahavala, kaominina ambanivohitra Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, io lasibatra io. Nentin’ny polisy namonjy sampana vonjy aina eo anivon’ny hopitaly CHU Analakininina izy. Nisedra olana ara-teknika anefa ka voatery nafindra tao amin’ny CHU Morafeno hamonjena ny ainy, io sabotsy 2 desambra io ihany. Be loatra ny ra very sy nisy lalandra tapaka tamin’io lehilahy io ka nitarika tamin’ny famoizana ny ainy.
Efa-dahy voasaringotra…
Avy niaraka tamin’ny namany fony fahakeliny izay mpitandro filaminana tao Ambalamanasy, io lehilahy io. Namonjy fodiana, nosakanana lehilahy efa-dahy izy. Nitondra antsibe ireo olon-dratsy ka norasainy tamin’izany ilay lasibatra. Voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany ity farany. Nalain’ireo mpandroba ny vola sy ny finday teny aminy. Nitsoaka nandositra izy efa-dahy. Mbola tsy tapitra anefa ny ain’io lehilahy io ka afaka nilaza tamin’ireo namonjy azy ny zava-nitranga rehetra. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana momba io tranga io.
Sajo/ Tsiferana R.