Vehivavy iray voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny kibony sy ny tanany nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Batiment , kaominina sy distrika Mahabo, tamin’ny 8 ora alina. Lasibatra nandritra ny fifandonana koa ny miaramila iray izay voatifitra teo amin’ny feny.
Zana-tsokatra 20 isa no azon’ ny zandary tao amin’ny fokontany Belinjo, kaominina Fotadrevo, ny sabotsy teo. Nahazo antso ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Fotadrevo fa misy jiolahy dimy milanja sokatra avy any atsimo ka mianavaratra mandalo ny lalana mankany Belinjo. Tokony ho tamin’ny 8 ora dia nifampitazana tamin’ny mpitandro filaminana ireo jiolahy. Raikitra ny fifanenjehana saingy tafaporitsaka any anaty ala ireo malaso. Vokany, navelany teo ny entana nolanjainy.
Voavonjin’ny mpamonjy voina saingy may tsy nisy noraisina ny entana rehetra tao amin’ny trano telo kilan’ny afo, tao Amborongony Andrefana, Toaliara I, omaly maraina. Niainga tao amina tokantrano iray ao an-toerana ny afo ka niparitaka tamin’ireo roa hafa. Tsy nisy ny aina nafoy.