Nahafinaritra ! Nahaliana ! Nahavariana ! Manan-talenta ny zaza malagasy !… Ny teny tahaka izany no nifanaretsaka taorian’ny seho sy fifaninanana « Ankizy mozika Festival », notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Imahamasina. Manana lenta tsara eo amin’ny hira, indrindra fa ny fitendrena zavamaneno ny zaza malagasy.
« Taranja » maro samihafa rahateo no nifandimby heno sy tazana teny an-tsehatra. Anisan’izany ny vakodrazana, jazz, mozika klasika, rock… Avy tamin’ireny no nahitana indray fa afaka mifehy karazan-kira na gadona maro ny zaza malagasy. 5 taona ka hatramin’ny 13 taona izay nahitana avy hatrany fa ho dimbin’ireo zokiny atsy ho atsy. Nisongadina ny fahaizan’ izy ireo nitendry piano, nikapoka amponga maroanaka izay anisan’ny mampiavaka ny hira malagasy, tahaka izany koa ny fahaizana mandidy « violon ».
Ny fahitana izany no anisan’ny nitenenan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy fa hotohizana hatrany ity « Ankizy mozika Festival » ity. Marihina rahateo fa vitsy dia vitsy ny hetsika natokana ho an’ny ankizy tahaka itony raha ho an’i Madagasikara manokana.
HaRy Razafindrakoto