Hisongadina ny fiakaran’ny maripana ambony indrindra any amin’ny atitanin’ny faritr’i Menabe sy Atsimo Andrefana ary ny ilany andrefan’ny faritra Sofia, manomboka anio. Entanina hatrany koa ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka atsimo-andrefana, atsinanana, atsimon’ny Nosy ho mailo fa misy ny alondrano avy atsimo-atsinanana, Hahery ny ranomasina ka hahatratra 3m ny haavon’ny onja.
Nisitraka fanatsarana sy fampitaovana ny toeram-pandidiana eo anivon’ny CHRR Vakinankaratra, ny herinandro lasa teo. Nahazo fampiofanana manokana amin’ ny fikirakirana ny teknolojia vaovao ireo mpandidy sy mpampivelona eo anivon’ny hopitaly. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Opération smile no nahafahana nanatanteraka izany.
Tontosa ny atrikasa momba ny fanombanana ny fihinanana pilifera teny anivon’ny sekolim-panjakana, ny faran’ny volana teo. Dren enina, Cisco, mpiandraikitra ny fahasalamana an-tsekoly ary tomponandraikitra avy amin’ ny « Division de la planification » no niara-nisalahy tamin’ ny atrikasa. Ny foibem-pitondrana misahana ny sekoly sy ny foibe misahana ny fanabeazana fototra no nitarika izany.
Vita ny fanentanana faobe natao tany Toliara, mahakasika ny autismen, ny faran’ny herinandro teo. Maro be ireo tonga nanohana ny antso ary vonona hifanome tanana ho fampandrosoana sy hampiroboroboana ny fikambanana ao Toliara ho an’ireo zaza hafakely.