Mpianatra Androy : “Avoahy ny Kly Randrianirina Mickaël”

Nanao fanambarana ny fivondronan’ny mpianatra teraka Androy (Fizatampioto) eo anivon’ny oniversiten’i Toliara, ny faran’ny herinandro teo. “Takinay tsy misy hatak’andro ary tsy misy fepetra ny hamoahana ny raiamandreninay, terak’An­droy, ny Kly Randrianirina Mickaël.
Manome 48 ora izahay ho famoahana azy amin’io toerana tsy mendrika azy io. Handray fepetra hentitra izahay rehefa dila io fe-potoana io”, hoy ny filohany, i Fanoela Bertrand. Nan­terin’ireto mpianatra ireto fa voasambotra ary nadoboka any amin’ny fonjan’i Tsiafahy ny ambaran’izy ireo fa raiamandreninin’ny teraka Androy manerana ny Nosy. Efa lehiben’ny faritra Androy teo aloha rahateo koa ny Kly Randrianirina Mickaël.
“Tsy azo ekena ny zavatra toy izao fa fanimbazimbana ny hasina maha Malagasy indrindra fa ny Antandroy”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa ahina ho nikasa hanongam-panjakana ity manamboninahitra any am-ponja ity.

Synèse R.

Partager sur: