Karana vavy voatifitra, very vola iray sakaosy

Lasibatry ny asan-jiolahy tetsy Namontana ny karana mpivady, omaly maraina. Voatifitra teo amin’ny lohany ramatoa. Lasan’ny efa-dahy nitondra basy ny sakaosy nisy vola.

Voatifitra teo amin’ny faritry ny lohany, tsy nahatsiaro tena ilay karana vavy norobain’ny jiolahy efa-dahy teny amin’ny fokontany Namontana, Boriborintany fahefatra, omaly maraina. Nanao taingin-droa niaraka tamin’ny moto izy mivady. Efa narahin’ny jiolahy efa-dahy. Nodakan’ireo olon-dratsy ny moto, nianjera izy ireo.
Niditra teo ambany mason’ ilay ramatoa ny bala. Nivoaka tao aorian’ny aroloha. Nosin­tomin’ireo jiolahy avy hatrany ny sakaosy voalaza fa nisy ny vola. “Nitsoaka nandeha an-tongotra niaraka amin’ny sakaosy ireo jiolahy izay tsy nisy nisaron-tava”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Poa toy izay, nifamonjen’ny manodidina sy rangahy vadiny ilay naratra mafy. Nentina nihazo ny hopitaly, manaraka fitsaboana.

Vola tamina sakaosy…
Tompona Cash point izy mivady lasibatra, araka ny fanazavana azo teo anivon’ny polisy. Voalaza fa nisy vola tao anatin’ny sakaosy lasan’ny jiolahy saingy tsy fantatra mazava ny fitambarany. Etsy ankilany, “sakafo no tao anatin’ny sakaosy fa tsy nisy vola”, hoy ilay karana lahy lasibatra.
Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Marihina fa anisan’ny hanjakan’ny asan-jiolahy mitam-piadiana ny eny Namontana tato ho ato. Matetika hamoizana ain’olona. Miisa telo ireo namoy ny ainy tamin’ny volana oktobra sy novambra.

Tsiferana R.

Partager sur: