Mavogisa : dahalo iray maty voatifitry ny zandary

Dahalo iray rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao Mavogisa, fokontany Filanjaza, kaominina Ankilizato, omaly maraina. Nanao fanarahan-dia omby halatra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankilizato, rehefa nahazo antso momba ny fisiana dahalo manao fanafihana ao amin’io fokontany io. Dahalo am-polony nirongo basy sy lefona no tompon’antoka tamin’izao halatr’omby hivoaka maraina izao. Teo am-pandroahana ireo omby ny tompon’omby no nifanehatra tamin’ireo malaso. Lasan’ireto farany tamin’izany ny omby rehetra. Nametraka ny vela-pandrika amin’ireo toerana mety handalovan’ireo malaso ny zandary. Nifanena teo amin’ ny toerana antsoina hoe Vangoa anefa ny mpanara-dia sy ireo malaso. Raikitra ny fifampitifirana ka lavo tamin’izany ny dahalo iray ankoatra ireo naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka any anaty ala. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby rehetra. Mitohy ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo dahalo tafaporitsaka any anaty ala.

J.C

Partager sur: