Namaly ireo tsikera samihafa momba ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana. Nambaran-dRaboanarijaona Holijaona fa efa mazava ny momba izany.
“Raha tsy misy ny fahamarinan-toerana, tsy misy ilay fomba fitenin’ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy mandroso i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanarijaona Holijaona, manoloana ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fifidianana. Raha amin’ny saina tsy miangatra, mampieritreritra ireny valim-pifidianana ireny. Miteraka fahamarinan-toerana ireny valim-pifidianana ireny, fa ngezabe ny elanelam-bato. Ny resy tsy akoraina.
Na izany aza, ny mahazo vato 1% na 10% na 12 % ve no mbola handeha hanakorontana indray? Raha mandini-tena, misy anatra be dia be ao anatin’ireny valim-pifidianana ireny. ”Voalohany, amin’ny fanaovana politika: moa ve isika mbola hanohy hatrany ny fihantsiana, ny tsy fifankatiavana, ny fankahalana, ny fandaingana sa hiroso amin’ny fanamboarana, ny fanavaozana, ny fampisandratana?”, hoy izy. Mila fahamarinan-toerana izany.
Tsy fotoana intsony izao mbola handeha hanakorontana indray. Izay ny anatra amin’ireny valim-pifidianana ireny. Fotoana izao hieritreretana ny vahoaka sy ny fari-piainany: ahoana ny hoaviny? Satria raha tsy manana toe-tsaina hijery ny isan-tokantrano ny mpitondra, ary mijery izay hahazoana mahamarin-toerana ny mpanohitra sy miray hina ao anatin’izay: heveriny fa lany andro izany.
R. Nd.