Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”

“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay izay niasa ary jerena ny vokatra: nanao ahoana ny lalana, ny jiro, ny rano, ny vidin-javatra, ny fampianarana, ny any amin’ny hopitaly… ? Izay ny fiainam-bahoaka sy sosialim-bahoaka, fa tsy tenitenenina ankapobeny fotsiny amin’izao. Tsaraina amin’izay ny olona hiara-miasa amin’ny tena. Vonona ny Hiffim raha hanao fanarenana ny firenena na hanao fanorenana ifotony amin’izay fomba hifampidinihina, fa samy manana ny heviny. Ho hita eo ny finiavana tena hampandroso ny firenena. Na izany aza, notsiahiviny fa: “Efa nanome fotoana ny vahoaka amin’ny volana janoary aho, satria tsapako fa eo vao tena hanomboka ny krizy misy eto amin’ny firenena fa tsy mbola tamin’ireny raharaham-pifidianana ireny”. Efa nilaza ry zareo na tsy mbola fantatra aza izay filohan’ny Repoblika voafidy fa hiditra krizy ny firenena. Mihevitra izy fa ho henjena ny fiainan’ny Malagasy amin’ny taona 2024. Mila ezaka sy fitandremana ary fahaiza-manao ny fitantanana.

R. Nd.

Partager sur: