Mpaka an-keriny an-jatony : mihorohoro Ankazobe !

Nahoraka tao anatin’ny distrik’Ankazobe omaly, ny feo mahakasika ny fisian’ny adian-jiolahy misy mpikambana 30. Mihorohoro ny mponina ka miverina matory any an-tsaha.

Tsy milamina ny ao Ankazobe ! Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny mpaka an-keriny ny mponina. Voatery mitsoa-ponenana aty an-drenivohitra izay marefo. Mijanona an-tanàna fa mandry an-tsaha kosa amin’ny alina izay matanjatanjaka. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, ataon’ny jiolahy mpaka an-keriny fakam-bola ny fianakaviana mba manan-katao any amin’ny faritra Vonizongo.
Omaly, nahoraka tamin’ny kaominina maro, anatin’ny distrik’Ankazobe, ny vaovao mahakasika ny fanafihan-jiolahy ataon’ny andian’olona 30 lahy. Araka ny fampitam-baovaon’ny mponina: amin’ny dimy ora dia efa mahamasa-kanina hariva izy ireo. Maika ny hiafina any an-tsaha, manavotra aina. “Efa nitsoaka matory any an-tsaha indray ny mponina ho an’ny tao amin’ny tanànan’i Fonohasina Vonan­draina, ohatra”, araka ny nambaran’ny solontenan’ny fokonolona tonga teto amin’ny foiben’ny gazety Taratra. “He­rinandro mialohan’ny hahatongavan’ireo dahalo ao amin’ny tanàna, voalaza fa efa mandefa taratasy ho an’ny mponina izy ireo”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Mihorohoro ny mponina noho ny fisian’ny tranga fakana an-keriny maromaro. Manampy trotraka ny fitondran’ny jiolahy basy, Kalchnikov, sy fanaovana fanamiana mpitandro filaminana.

Ampio ny zandary!

Araka ny nambaran’ny fokonolona hatrany, tsy maharesy tosika ireo dahalo ny mpitandro filaminana noho ny fahavitsian’isa. “Manao sarotra ny fanarahan-dia sady vitsy no tsy ampy fitaovana ny zandary any an-toerana”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Miantso ny fitondram-panjakana mahefa izy ireo mba hanomezana fitaovana ny zandary miasa ao an-toerana ahafahana manara-dia ara-potoana. “Mampalahelo fa tsy manana fiara, tsy manana moto ny zandary any aminay. Dia an-tongotra no hanarahan-dia, tsy mahagaga raha mahazo tombony ny olon-dratsy”, hoy izy ireo. “Vonjeo izahay, ampio ny zandary”, hoy ny antso vonjin’izy ireo.

Randria

Partager sur: