Kolikoly sy fanodinkodinam-bola : nogiazan’ny Arai ny vola 6 miliara Ar sy fiara miisa 206

Napetraka ny paikady vaovao hoenti-manatsara ny asa famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Efa nahazoam-bokatra ny asa vita teo aloha, araka ny tatitra natao tetsy Antanimena, omaly.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny Antokondra­ha­raha misahana ny fa­merenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (Arai), Rasolohari­ma­nana Aimé, fa mitentina 6 miliara Ar mahery ny vola nogiazana, miaraka amin’ny fiara miisa 206. “Sandan’ny fananana sy kaonty nogiazanay ireo ho an’ny taona 2023 ary vokatry ny ahiahy amin’ny kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana”, hoy izy. Anisan’izany ny kaonty any amin’ny banky, ny tany sy ny trano. Mbola anaty fanadihadiana ireo ary iandrasana ny fanapahana avy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). “Fana­giazana vonjimaika aloha izany izao no ataonay fa tsy mbola miditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo rehetra ireo. Mbola anaty famotorana ny fitsarana”, hoy ihany izy.

Tsenam-baro-panjakana

Nanteriny fa betsaka amin’ireo harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna voatana ireo no fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny kolikoly amin’ny endriny maro samihafa: fanamparam-pahefana ataon’ny olom-panjakana, ny kiantranoantrano amin’ny tsenam-baro-panjakana,sns.
Mety ho voaporofo ireo rehefa mandeha ny fanenjehana. Hatramin’izao anefa tsy azo lazaina fa efa meloka avy hatrany ireo nofotorana. “Mety hamoaka didy hamerina ny harena ny fitsarana na koa ny mifanohitra amin’izany”, araka ny nambarany hatrany.
Notsiahiviny fa mizara ho heloka efatra ny antony nanagiazana ny entana. Ankoatra ny heloka voalaza etsy ambony, misy ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ho an’ny asa fampihorohoroana.

Synèse R.

Partager sur: