Tsy tokony hisy olona na vondron’olona haneritery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisafidianana izay ho mpikamban’ny governemanta vaovao hajoro eo, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Freedom, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD tany Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra, momba ny fandrafetana ny governemanta amin’ny fe-potoam-piasana faharoan’ny filoha Rajoelina. Tsy olona no jerena hoe tsy maintsy atao minisitra Ranona na Ranona, fa foto-kevitra no mitondra. Ho azy ireo, na iza na iza hapetraka ao anatin’ny governemanta ka mahafeno fepetra, afa-manatanteraka an’izay fitakiana nataon’ny antoko Freedom tamin’ny fanohanana ny filoha Rajoelina izay, dia mety amin-dry zareo. Na izany aza, an’ny filohan’ny Repoblika ny fahefana ny amin’izany.
“Tsotra ny fomba fijery ho anay ao amin’ny antoko Freedom: foto-kevitra no nifanarahanay tamin’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Foto-kevitra amin’ny fampandrosoana izany, hanitsiana an’izay tsy mety, ny ady amin’ny kolikoly sy ny kinamanamana niteraka resabe teto amin’ny firenena tamin’ireo mpikambana sasantsany tao anatin’ny governemanta… Aminy, tokony hohamafisin’ny filohan’ny Repoblika izay foto-kevitra izay. Eo koa ny fanampiana ny lafiny sosialy, ny fanampiana ny tantsaha eny ambanivohitra… Mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka eny ifotony ny asa fampandrosoana atao.
R. Nd.