Fanandevozana sy vono olona : afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka

19 volana aty aorian’ny nitazomana azy mianakavy tany am-ponja, afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka. Nampangaina ho nanandevo sy namono tovolahy iray taizany izy ireo.

Niakatra teo anoloan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava andiany faharoa, ny antontan-taratasin’ady laharana faha-119-Toa/22-1333-RP/22, afakomaly. Raharaha izay nahavoarohirohy pasitera iray. Voampanga ho nanao fanandevozana narahina famonoana tovolahy iray izy sy ny olona telo hafa, ny 21 avrily 2022. Vokatr’izany, naiditra am-ponja vonjimaika tao amin’ny fonjaben’Ambala­tavoahangy ry pasitera efa-mianaka.
Naharitra ora roa ny fifandaharana teo amin’ny voampanga sy ny mpisolovava, andaniny, ary ny tonia ambony sy mpitsara ambony mpamoaka didy, Ankilany. Tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana kosa ny mpitory.
Nanda ny fiampangana azy izy efa-mianaka nandritra ny fifandaharana. Nanamafy ny fanambarana nataon’izy ireo tany amin’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fampanoavana. «Tsy marina ny filazana sy fiampangana anay ho nampijaly, nanandevo, namono an’i Vonjy», hoy ny pasitera Ramiandrisoa Felice, 52 taona, tamin’ny fiarovan-tenan’izy ireo.

Miriaria ao Foulpointe
Nanamarika ny fotoam-pi­tsarana, afakomaly, ny porofo nentin’ny mpisolovava ny voampanga, ny Me Tody Arnaud. «Tovolahy nolazaina fa maty kanefa miriaria any Foulpointe. Manamafy izahay fa tsinay sy atina kisoa narian’olona tany amoron-drano no nentina namatorana anay», hoy izy nandritra ny fiarovany ny voampanga. «Nitaiza azy no nataon’i pasitera. Efa ho dimy taona no nametrahan’ny ray aman-dreniny azy tamin’ity mpanompon’Andriamanitra ity. Nentina toy ny zaza nateraka izy», hoy hatrany ny fiarovany.
Tsiahivina fa efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ry pasitera mianakavy ny andron’ny 21 avrily 2022. Nanaovan’ny mponina angaredona izy mianakavy satria voalaza fa tsy vitan’ny manandevo fa izao namono olona izao. Tsy nipoitra kosa anefa ny mpitory rehefa nandeha ny fanadihadiana lalina teny
amin’ny mpitsara mpanao fa­motorana indroa miantoana. Mbola nanjavona koa izy ireo tamin’ny fotoam-pitsarana.
Nilatsaka ny didy ka afaka madiodio izy efa-mianaka noho izany. Marihina fa mitondra fiangonana amina antokom-pinoana iray ao Ambo­diampaly, fokontany Anjaha­marina, kaominina ambani­vohitr’Ampasimbe Onibe, distrikan’i Toamasina II, ity pasitera ity.

Sajo

Partager sur: