Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamina halatra kisoa. Ny 2 desambra 2023 lasa teo no nitrangan’izany halatra izany tao Andasy, fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Tao amina toeram-piompiana lehibe no niditra an-tsokosoko ireto mpangalatra kisoa ireto. Nopotehin’ireo olon-dratsy mialoha ny jiro manazava io toeram-piompiana io mba hahafahan’izy ireo manao ny asa ratsiny. Nandray anjara tamin’izany ny mpiambina ity toeram-piompiana ity sady nanamora ny fidiran-dry zalahy. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny fisiana lehilahy maromaro mampiahiahy milanja enta-mavesatra anaty gony tao amin’io fokontany io. Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ambohimalaza ka tratra ny jiolahy efatra niaraka tamina kisoa lehibe roa hita tao anaty gony. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahatazana ny zandary sy ny fokonolona sady natsipin’izy ireo koa ilay gony nisy ny kisoa. Hita teny an-toerana koa ny fiara roa mpitondra ireo jiolahy sy ny kisoa halatra. Tsy lasa lavitra anefa ry zalahy dia tratran’ny zandary. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny zandary fa noraisim-potsiny teny Andravoahangy ny mpivaro-kena iray mpaniraka sady mpiray tsikombakomba amin’ireto jiolahy ireto.
J.C