Fitaterana an-dalamby : hiverina ny zotra Antananarivo-Antsirabe

Hampivoatra sy hampiroborobo ny toekarena ny fiverenan’ny zotra an-dalamby ma­m­pifandray an’Antanana­rivo sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny efa-taona.

Hiverina amin’ny laoniny indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa niato nandritra ny efa-taona. Na­namafy ny Madarail fa niverina nanomboka ny sabotsy teo ny fivezivezen’ny lamasina amin’ ireo toerana samihafa mampifandray ny Renivohitra amin’ny faritra Vakinanka­ratra. Niainga teo amin’ny gara Soanierana, ny sabotsy ma­raina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra teo, ihany koa ny “draisine” fampiasa amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ka nigadona tao An­tsirabe tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, araka ny fanazavan’ny orinasa Madarail.
Na izany aza, mbola misy ny fanamboarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa samihafa hanatanterahana ny tetikasa. Hiverina tsy ho ela, araka izany, ny fitaterana entana sy solika ary ny vokatra hihazo an’Antsirabe raha mbola andrasana kosa ny fitaterana olona. Tsiahivina fa ny 10 novambra 2016 no nisy lamasinana niasa farany nampitohy an’Antananarivo sy Antsi­rabe. Nikatona tanteraka kosa ny zotra TA ny taona 2019, noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa sy ny asa fanamboarana tsy maintsy natao.

Toekarena
Hampiroborobo ny toekarena ny fiverenan’ny zotra an-dalamby, indrindra ho an’ireo toerana saro-dalana. Ha­nampy amin’ny fitaterana en­tana izy io, indrindra ho an’ny famatsiana solika any an-toerana. Tsiahivina fa niverina ny volana jona teo ny zotra an-dalamby, mpitatitr’olona “Dia­tsara” mampitohy an’i Mora­manga sy Toamasina ary Moramanga sy Ambila. Toy izay ihany koa ny zotra an-dalamby mpitatitr’olona mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE) rehefa niato nandritra ny volana maro.

Henintsoa Hani

Partager sur: