Vita iny ny fifidianana. Ahoana ny ho tohin’ny raharaham-pirenena? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny filohan’ny fikambanana Tanora miara-miasa (TMM), Rabeson Heriniana: “Mba hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondram-panjakana.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Fahitanareo ny fifidianana teo amin’ ny maha mpanara-maso anareo?
Rabeson Heriniaina (-): Tamin’ny ankapobeny, nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana. Nandray anjara feno izahay tamin’ny fanabeazana olompirenena tamin’izany, izay hitanay fa adidy aman’andraikitra amina maha fikambanana anay. Nahazo fankatoavana tamin’ny Ceni hanara-maso fifidianana izahay, ary nahavita tatitra ny amin’izany. Amin’izao, miatrika ny fiainana andavanandro sy ny asany indray ny fikambanana, manana tetikasa maro eo amin’ny sehatry ny asa tanana sy ny fambolena.
Vehivavy 70 eo ho eo no miasa eo anivon’ny fikambanana. Omena fahaiza-manao amin’ny fanaovana asa tanana izy ireo, manao izany sy mivelona amin’izany. Teny filamatry ny TMM ny hoe: “Vehivavy miara-miasa ho amin’ny hoavy tsara kokoa”. Miara-miasa izany, miara-tafita. Antom-pisian’ny fikambanana hatrany am-boalohany ny fampivondronana an’ireo vehivavy manan-talenta nefa tsy misy enti-manana. Izay nitsirian’ny hevitra ny hampidirana azy ireo amina fikambanana hisehatra amin’ny fihariana.
* Ny fahitanareo ny sosialim-bahoaka amin’izao?
– Hita hoe marefo… Na izany aza, tsy miraviravy tanana izahay, miezaka hatrany amin’izay tratran’ny herinay hahazoa-mamokatra. Manantena koa izahay fa rehefa vita ny fifidianana, mba hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondram-panjakana. Ao anatin’izany ny fikambanana misehatra amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana. Ankoatra ny asa tanana, imasoanay koa ny sehatry ny fambolena mifameno amin’izany. Eto Antananarivo ny foiben’ny fikambanana, fa misy sampana any Toamasina, Fianarantsoa, Mangamila Anjozorobe. Ato ho ato, hanokatra trano fivarotana ireo asa tanany ny fikambanana. Misy koa ny trano fiasana ho an’ny asa tanana amin’ny zaitra sy rofia. Mpiara-miasa aminay amin’izao, ohatra, ny orinasa Baba Expert Service Chine. Eo koa ny fifandraisana any Bordeau, Frantsa, izay misy mpikamban’ny TMM ary andefasana ny asa tanana vita hatao varotra fampirantiana. Misy ny varotra amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana.
Nangonin’i R. Nd.