Depiote “Del kely”: “Ravao any ny Antenimiera fa tsy olana…”

Nitondra ny heviny, manoloana ny feo mandeha amin’ny mety handravana ny Ante­ni­mierampirenena ny depiote, Razara Pierre Fidèle na i “Del kely” tao amin’ny Miara-manonja (MM). “Ravao ny Antenimierampirenena fa tsy olana izany. Hijoro hatrany izahay ary aza matahotra izany isika depiote”, hoy izy. Notsiahiviny fa manohana hatrany ny filohan’ity Andrim­panjakana ity, Razanama­hasoa Christine, izy ireo ka tadiavin’ny sasany holemena izany. Nentaniny ireo namany mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka tsy hanaiky ny iraka ampanaovin’ny sasany na alaim-panahy hanao zavatra hafa.
Etsy andaniny, niaiky ny depiote IRD, Tsabotokay Honoré fa zon’ny filoham-pirenena ny mandrava ny Anteni­miera tahaka ny fananan’ny depiote zo koa, hampiato amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika. “Tafiditra ho amin’ny fiarovana ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana no mety hirosoany amin’ny fandravana izany”, hoy izy.
Anisan’ny mety ho antony koa anefa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy IRD. Nisafidy ny nanaraka ny Von­dron’ny kandidà nanao hetsika fotsy, Razafintsiandraofa Brunelle sy ny depiote, efa nodimandry, Rasolofonjatovo Honoré. Manampy izany ny fialan’ny sasany nifindra vondrona parlemantera hafa.

Tsiahivina fa telo volana aorian’ny fandravana ity Andrimpanjakana ity raha hirosoana ihany no hanaovana ny fifidianana vaovao, ara­ka ny voalazan’ny Lalàm­pa­norenana.

Synèse R.

Partager sur: