INDRAY MIJERY

Nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-potoana nokarakarain’ny OIT tao amin’ny Foibe iraisam-pirenena momba ny asa any Turin, Italia, ny Akademia momba ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra malagasy. Manome fitaovana sy fomba fanofanana mikendry ny hampiroborobo ny asa mendrika eo amin’ny toekarena eny ambanivohitra ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny Akademia.
Niofana mahakasika ny fanaovana «dépistage» ireo mpilatsaka an-tsitrapo tao Fianarantsoa. Anisan’ny tolotra avy amin’ny Autisme Madagascar, mba hahafahan’ny ray aman-dreny mamantatra ny dingana azo atao, raha toa ka mety ahitana ireo soritra sasantsasany hita eny amin’ny olona autiste, ny dépistage.
Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo ny mpanazava eto Mada­gasikara. Nitondra hafatra ny filohan’ny Mpa­na­zava Analamanga Afovoany, Rakotomavo Andriah Laingo na Sanda Miadidy. Niompana tamin’ny lohahevitra hoe: “Ny firotsahana an-tsitrapo antoky ny fandrosoana” no nampitainy tamin’izany.
Tetikasa hotanterahina amin’ny taona 2024, ho an’ny kaominina Imerintsiatosika, ny famindrana ny fiantsonan’ireo fiaran’ny kaoperativa rehetra tsy ankanavaka mampitohy an’Antananarivo. Tanjona ny hisian’ny fifaninanana madio sy mangarahara ary ny hanalalahana ny fifamoivoizana.

Partager sur: