Fanapahan-doha tao Vondrozo : ombiasy sy dahalo iray lavon’ny bala

Maty voatifitry ny mpi­tandro filaminana ny ombiasy iray sy ny dahalo namany nandritra ny fisamborana azy ireo tao Vondrozo, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nikasa hanatanteraka ny sorona faharoa ahafahan’izy ireo mahazo ny rano mavesatra na « mercure » ireo dahalo ireo, araka ny fanadihadiana nata­on’ny zandary tamin’ireo namany izay efa voasambotra. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy sy hisambotra ireo voatonona anarana ny zandary ary nitarika azy ireo ilay ombiasa efa voasambotra, ny herinandro lasa teo. Vao tonga teo amin’ilay lava-bato voatondro, nihoraka nampi­tsoaka ireo dahalo na­many ilay mpimasy. Nanara­raotra nandositra koa ity farany. Raikitra ny fitifirana ka lavo izy sy ny dahalo iray namany. Tafapori­tsaka ireo namany hafa. Ma­rihina fa anisan’ny dahalo efa nampitaraina ny mponina ao an-toerana hatry ny ela ary efa nanaovan’izy ireo taratasy teny anivon’ny manam-pahefana ireto lavo ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: