Tratran’ny mpitandro filaminana, afakomaly tolakandro, tamin’ny 3 ora ilay atidoha nikotrika ny famonoana ilay lehilahy “transitaire”, tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara. Olona roa hafa voasambotra.
Niampy telo indray, afakomaly, ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny famonoana ilay lehilahy misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray, “transitaire”, tao Besakoa. Namoahan’ny sampana misahana ny heloka bevava taratasy fikarohana, voasambotra ihany ilay lehilahy voatondro ho atidoha nikotrika io habibiana nitranga tamin’ny 16 oktobra lasa teo io. Mbola nahitana dian-dratra nahazo azy nandritra ny fotoan’ io fanafihana io teny amin’io jiolahy io. Ankoatr’azy, tratra koa ny lehilahy roa hafa mpiara-miasa akaiky aminy sy nanatontosa ny vonoan’olona. Vokany, telo ireo voasambotra afakomaly.
Mamita sazy any am-ponja
Marihina, vao notanana am-ponja vonjimaika ny olona roa voasaringotra tamin’io raharaha io, ny 29 novambra teo. Ny fanadihadiana lalina natao azy ireo izay nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana sy nahatrarana vola niampy ny fitaovana nanaovany ny fanafihana no nahafahan’ny mpitandro filaminana nisambotra ireo namany telo hafa, afakomaly. Tsiahivina, maty notriatriarina zava-maranitra tao an-trano fonenany tao Besakoa, Toliara, ilay lehilahy “transitaire”, ny alin’ny 16 oktobra teo. Nipetra-drery io lehilahy io.
Tsiferana R.