TSELATRA

Ben’ny Tanàna iray tao amin’ny kaominina Am­pondralava Ambilobe, hita faty nihantona tamin’ny tady teo amin’ny manga maniry, omaly. Nivoaka ny trano fonenany izy ny alin’ny alarobia teo ary nilaza mbola hiverina. Poa toy izay, fatiny efa nihantona tamin’ ny hazo no hitan’ny manodidina. Mampiahiahy ny fokonolona ao an-toerana izao fahafatesan’io ben’ny Tanàna io izao. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana 2024 ny raharaha mahakasika ny vono olona teny Amboale­foka, Anjeva Gara, izay nahavoarohirohy olona miisa 11. Voatondro ho tsaraina omaly, tetsy amin’ny fitsarana Anosy io raharaha io, saingy izao nahemotra izao noho ny pitsompitsony ara-pitsarana tsy voahaja.

Nosamborin’ny polisy ilay nahavanon-doza nahafaty ny lehilahy iray tao Vavatenina, afakomaly. Samy nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana io lehilahy lasibatra io sy ilay namono, ny talata 05 desambra teo. Niafara tamin’ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ny roa tonta ny fifaneraserana tao anatin’io toerana io ka raikitra fifamaliana. Nifampidaroka izy roa lahy. Tsy nahatsindry fo ka niafara tamin’ny fifamonoana ho faty.

Voasambotry ny fokonolona ary saika matin’ny
fitsaram-bahoaka ny telo lahy mpanendaka tetsy amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, omaly. Miandry ireo mpandalo handeha amin’ny toerana mangingina, anisan’ny efa nampitaraina fatratra ny mponina eny an-toerana ny fisian’ireto tontakely ireto ka izao sarona izao.

Partager sur: