Nankatoavin’ireo mpikambana eo anivon’ny Komity mpitantana ny tetikasa fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony (Fafy) ny fandaharanasa ho an’ny taona 2024. Laharam-pahamehana amin’ny lahasa ny fanamafisana ny serasera ho an’ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina, handresena lahatra ny olona hanatona tobim-pahasalamana.
18 andro sisa dia higadona ny fetin’ny krismasy. Efa miravaka avokoa ireo tranombarotra lehibe. Mirentirenty eny an-tsena ireo fandravahana trano sy ny hazo krismasy. Tomefy olona izay aleha. Mifanaretsaka ny rehetra ka mila mailo ho an’ireo mitondra ankizy madinika satria tsy hifankahitana raha sendra tafasaraka.
Nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra, nandritra ny COP-28, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Novelabelariny tamin’izany ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny fahasalamana, indrindra ny reny sy zaza. Nojerena manokana ny fomba fanenana ny fiparitahan’ny fako “déchets dans le secteur de la santé” sy ny fandrafetana drafitrasa ho fisorohana ny aretina mety ho azo avy amin’izany.
Hamelabelatra momba ny mety hifandraisan’ny fiakaran’ny tosidra sy ny fihetseham-po na tsia ny Pr Rafatro Herintsoa, filohan’ny Komity siantifika IMRA, anio, eny Avarabohitra Itaosy. Misokatra ho an’ny daholobe ny fizarana ary hisy ny fitsidihana ny ivontoeram-pikarohana IMRA, aorian’ny fifampizarana eny an-toerana.