Fanarenana ny Madagascar Airlines : hampindram-bola 20 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena

Hisitraka fanampiana mitentina 20 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines ho fanarenana ny kaompania.

Anatin’ny fanarenana tanteraka ny Madagascar Airlines ankehitriny. Noho izany “miato avokoa ny sidina ataony”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramon­javelo Valery, nandritra ny fampirantiana ny tantaran’ny rafi-pitantanan’ny fiaramanidina eto Madagasikara (Aviation civile de Madagascar, ACM), omaly, teny Ivato. Tafakatra hatrany amin’ny 9 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka tamin’ireo sidina mankany ivelany nataon’ny Madagascar Airlines. Misy ny fepetra noraisan’ny mpitantana hanarenana ny kaompania. Nivoitra ao anatin’izany ny fifanarahana fampindramam-bola mitentina 20 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Ni­laza ny minisitry ny Fitaterana fa hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina, hamaliana ny filan’ny mpanija. Tombony ho an’i Madagasikara rahateo ny fananany seranam-piaramanidina iraisam-pirenena sy rejionaly, noho izany, tokony ha­hasahana ireo rehetra ireo ny fiaramanidiny.
Miara-miasa

Tsy foana ny kaompania Air Madagascar na eo aza ny Madagascar Airlines. Manofa ny fiaramanidin’i Air Madagas­car ny Madagascar Airlines ka afaka mandoa izany izy rehefa voavaha ny olany. Fantatra ihany koa fa « en redressement judiciaire » ny Air Mada­gascar ary manana petrabola amina sehatra samihafa. Tom­pona petrabola amina orisana maro eto an-toerana izy, an­tony tsy hanafoanana azy. “Na izany aza, mila jerana ny fomba rehetra tsy hahafatiantoka azy”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa Hani

Partager sur: