Mandray anjara amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’ andro, Cop 28, any Dubaï ny vondrona Airtel Africa plc. Nohamafisin’ny tale jeneraly (DG), Segun Ogunsanya, ny 6 desambra teo, fa zava-dehibe ny fisian’ny paikady manome lanja ny fampandrosoana maharitra sy ny mahakasika ny toetr’andro iarahana amin’ny sehatra tsy miankina aty Afrika.
Mpikambana ao anatin’ny Fiombonamben’ny afrikanina mpandraharaha (ABLC) ankatoavin’ny Firenena mikambana i Segun Ogunsanya. Nantsoiny ny mpandraharaha sy ny governemanta afrikanina hamondrona ny hery, mba hisian’ ny fampandrosoana maharitra sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Natomboka tamin’ny taona 2022 ny « Tetikasa maitso », mifantoka amin’ny toekarena mihodina, toy ny fanoloana ny fitaovana efa lany andro, mba tsy hiantraika ratsy amin’ny tontolo iainana, sady hampihenana ny fiparitahan’ny entona karbona (GES). Tsy nataon’ny Airtel Africa intsony ny fandoroana ny fako ankalamanjana, nanomboka ny marsa 2023. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny tomponandraikitra eo an-toerana, ny vondron’olona ifotony, ny fiarahamonina sivily ary ny tsy miankina. Tanjona ny hampihenana 60% ny fandoroana fako ankalamanjana amin’ny taona 2030, ary foanana tanteraka amin’ny taona 2040.
Iombonan’ny Airtel sy ny orinasa afrikanina ny hanafainganana ny paikady ara-toekarena mitsinjo ny ho avy.
Njaka A.