Nikasa hanafika tobin’ny zandary: mpaka an-keriny roa lahy maty voatifitra

Jiolahy roa lahy malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny maty voatifitry ny zandary tao Sahalemaka, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly.

Nandrasam-potsiny ! Na­moy ny ainy ireo jiolahy roa lahy nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana lalina tao amin’ny ta­nànan’i Tsarahonenana, kaominina ambanivohitra Avara­tsena Sahalemaka, ny alin’ny alakamisy 07 desambra teo. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana fa mi­haodihaody ary mikasa ny hanafika ny zana-tobim-paritry ny zandary ao an-toerana ireo olon-dratsy ireo. Niroso ta­min’ny famakafakana ny raharaha ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana ary fantatr’izy ireo hatramin’ny fotoana voatondro hanaovan’ireo jiolahy ny fanafihana. Ny alin’io alakamisy io, nifanehatra tamin’ny zandary avy hatrany ireo jiolahy. Raikitra ny fifandonana satria nitifitra ireto farany rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Vokany, maty voatifitra ny olon-dratsy miisa roa.
Latsaka teny amin’izy roa lahy lavo ireto ny basy vita gasy nampiasainy nandritra ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny.
Mpaka an-keriny…

Nojeren’ny mpitandro filaminana ny endrik’izy ireo tamin’ny fotoana nahalavo azy, voamarina fa jiolahy mpaka an-keriny efa malaza ratsy ao amin’ny distrikan’ Ambo­hidratrimo hatrany Anjo­zorobe izy ireo. Tompon’ anto­ka tamin’ny fakana an-keriny vehivavy roa tao amin’ny kaominina Sahale­maka, ny volana oktobra teo, ireto jiolahy lavo ireto, araka ny fanamafisan’ny zandarimaria eo anivon’ny Vondron-tobim-paritra Ambohidra­trimo.

Tsiferana R.

Partager sur: