TSELATRA

Mpanao gazety iray naratra nodarohana telo lahy tetsy Paraky, afakomaly. Nosakanan’ny andian-dehilahy avy nisotrosotro izy. Nidina hanisaka ireo lehilahy nibahana ny lalan’ny moto nentiny io mpanao gazety io, kinanjo niharan’ny daroka sy vono.

Zazavavy 5 taona niharan’ny fanolanana tao Ambatotokana, fokontany Ambalabe, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 desambra teo. Tsy hita tampoka tao an-trano io zaza io. Niverina nody izy noho ny maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. Nahitan’ny reniny fivontosana ny vavany ary simba ny fivaviany.

Moto iray nifandona tamin’ny taxi-be ka niteraka fitohanana lavareny tetsy Besarety, omaly hariva. Vokatry ny fitohanana, voadonan’ilay fiara avy aoriana ilay moto. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana teo amin’ny mpamily sy ilay mpitondra moto izany. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny polisy mpandrindra ny fifamoivoizana eny an-toerana.

Nanainga afakomaly, ireo vatan-dehilahy sy mpitandro filaminana ao Befandriana Atsimo. Hitety
ireo kizo fieren’ny dahalo izy ireo ary hamongotra ireo mpangalatra omby manerana ireo fokontany anatin’ny kaominina.

Partager sur: