FANTINA sy FINTINA

Tsy nanembantsembana ny amperinasa rehefa nisotro ronono ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Jly Ravalo­manana Richard teny Ambohitsirohotra, omaly. Nankasitraka ny andraikitra nomena azy, ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena kosa ny Jly Ranjeva Marcel tamin’izao fihaonana izao.

Nolanian’ny Antenimierandoholona tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2024. Tamin’ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina, teny Anosikely, omaly, izany. Efa nolani­an’ny Antenimierampirenena tsy nasiam-panitsiana izany.

Nalefa nody ny mpanao gazety, Gascar Fenosoa, rehefa nohenoin’ny zandary nandritra ny ora telo teny Fiadanana. Antony nanadihadiana azy ny fandaharana niarahany tamin’i Christian Tabera, ny 4 desambra teo. Marobe ireo mpanao gazety, notarihin’ ny holafitra, nanotrona izany teny an-toerana.

Maro ireo sehatra mbola ahitana kolikoly ary miantraika amin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Nivoitra izany tamin’ny atrikasan’ireo tanora momba ny fampanajana ny zon’olombelona sy ny ady amin’ny kolikoly, natao tetsy Anosy, omaly. Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly, anio izany.

Partager sur: