TARATRY ny KANTO

Lanonambe eny amin’ny Kianjan’ny hiragasy. Taorian’ny fanambarana ofisialy ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy, hisy ny fety lehibe izay hotontosaina eny Ampefiloha, rahampitso alahady. Arahina ady hiragasy goavana hatrany izany, izay hifandonan-dry Marie Louise avy any Anivorano sy ry Fredikely avy eny Imerintsiatosika.

“Tsy misy mahaFOHY aina…”. Fampisehoana fanehoana firaisan-kina hanampiana olona marary, izay akaiky sy nanampy ireo mpanakanto maro izy ity. Hotontosaina anio manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hifandimby an-tsehatra ry Aynah la chanteuse, Doubl’Enn, Silo, Olo Black, Da Hopp, MashManjaka, sns.

“Seho an’Art-Be”. Tanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Fianarantsoa, ny hetsika ara-javakanto maroloko. Tanjona amin’izany ny fanomezana sehatra ireo taranja ara-kolotsaina maro samihafa misy any an-toerana, na ireo nentin-drazana na ireo nentin’ny vahiny.

“Rire dé Lire”. Tanterahina anio, eny amin’ny Aft Andavamamba, ny hetsika “Rire dé Lire”, iarahana amin’ny mpanao hatsikana eo anivon’ny Gasy Stand Uppers. Tanjona ao anatin’izany ny fanentanana ny olona hamaky boky sy ho liana amin’izany. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra sy fampiroboroboana ny hatsikana malagasy.

Partager sur: