INDRAY MIJERY

Manohana manokana ny tovovavy sy ny vehivavy ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fiahiana sosialy. Nanomboka ny taona 2015, nahatratra 258 156 ny vehivavy nahazo tohana ara-bola sy voaofana. Afaka nanohy fianarana koa ny ankizivavy miisa 162 522, 6 hatramin’ny 14 taona.
Natomboka teny Ambatoroka ny fivoriana ho fametrahana ny rafitra Comité d’organisation malgache pour les olympiades des métiers, izay fifaninanana mahakasika ny fahaiza-manao sy fanofanana arakasa. Sehatrasa telo no hifantohana.
Vita ny atrikasa famaranana ny tetikasa «Equal» tany Matsiatra Ambony, nanehoana ireo vokatra azo nandritra izay 24 volana niasana izay.Tsapa ny fahavononan’ireo tomponandraikitra amin’ny fanohanana ireo ezaka natomboky ny fikambanana Autisme Madagascar tamin’ny alalan’ity tetikasa ity.

Partager sur: