Nidina ifotona nijery sy namantatra ny toe-javamisy iainan’ny vahoaka sy nitafa tamin’izy ireo, ny filoha voafidy Rajoelina Andry. Notsindriny mafy, tamin’izany, fa vonona ny fitondram-panjakana hotarihiny hamaha ireo olan’ny vahoaka.
Nitohy omaly, teny Ampefiloha Ambodirano sy Anosibe Zaivola ary Andranomena, ny fidinana ifotony, nijerena ny marary sy ny manahirana ny mponina ary nizarana ny « Hazavana ho anao », jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitaovana mifandraiky amin’izany. Nohamafisin-dRajoelina Andry, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mponina amin’ireo tanàna ireo, ny hanakakaizan’ny fitondrana izay ho tarihiny, ny vahoaka.
Hifantoka kokoa amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ny fandaharanasan’ny fitondrana, izay tarihiny eo, araka ny nambaran-dRajoelina Andry hatrany. Namafisina ihany koa fa izay tena hiasa ho an’ny vahoaka ihany no handray ny toerana maro eo anivon’izany fitondrana ho tarihiny izany. Ankoatra ny fizarana jiro, izany hanafaka ny tokantrano tsirairay ao anatin’ny fahasahiranana sy ny haizina, nitondra ny fitarainany mahakasika ny lalana mihazo ny tanàna sy ny jiro manazava izany ny teny Ampefiloha Ambodirano. Nilaza moa ity filoham-pirenena voafidy ity ny hijerena manokana izany. Teo ihany koa ny fampitaovana ireo tanora mpanao fanatanjahantena ary ny fananganana sekoly ambaratonga faharoa, ho fitsinjovana ireo mpianatra. Taorian’izay, nitohy teny Anosibe Zaivola ny fijerena ifotony ny fiainam-bahoaka ary nifarana tamin’ny fitafana tamin’ny vahoakan’ny boriborintany fahenina.
Ankoatra izay, nisy ny fitondrana fanazavana mahakasika ny tanàna vaovao, izay hatsangana ho fitsinjovana ny vahoaka sy ho fanatsarana ny fari-piainany. Nilaza ihany koa ity filoha vao voafidy ity, nandritra ny lahateniny, ny amin’ny hanolorana fanofanana ho an’ireo marefo ara-pivelomana sy ny hamerenana ny « Caravane médicale ».
Lin