INDRAY MIJERY

Nisitraka ny couverture santé universelle ihany koa ny tao amin’ny distrikan’i Ste Marie, faritra Analanjirofo. Rafitra napetraka hanenana ny vesatra ara-bola amin’ny fahasalamana napetraky ny fanjakana izy io. Maro ireo nisoratra anarana niditra ho mpikambana ao anatin’ny rafi-piantohana fahasalamana, ahafahana misitraka fitsaboana maimaimpoana.
Nankalaza ny faha-50 taonany ny Tranon’ny Fitiavana, mitaiza ireo olona manana fahasembanana ao Maharivo Ambositra. Nanolotra fitaovana hanohanana ny akany ny minisiteran’ny Mponina. Nisitraka tohana ihany koa ny Centre kinésithérapie. Sehatra ahin’ity minisitera ity rahateo ny fanabeazana ireo manana fahasembanana.
Ao anatin’ny fotoana hanomanana ny fetin’ny Krismasy any am-piangonana ny ankizy madinika sy ireo tanora amin’izao. Vanim-potoan’ny orana anefa, mila mitandrina satria mety anaty ora-mikija no firavan’ ny ankizy aorian’ny famerenana ka mety hitera-doza eny an-dalana. Tsara raha arahin’ny olon-dehibe hatrany izy ireo.
Misokatra ho an’ny rehetra ireo tranomboky monisipaly eny anivon’ny boriborintany. Nisokatra ny herinandro teo, ny teny Amboditsiry, izay fotodrafitrasa fahadimy natsangan’ny CUA. Maro karazana ny boky azo hanovozana haren-tsaina ao ary misy ho an’ny sokajin-taona rehetra. Ahitana “atelier” ho an’ny ankizy ihany koa, toy ny fitantarana angano…

Partager sur: