Fanavaozana ny lisi-pifidianana : nametraka paikady fanentanana ny fokontany

Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asan’ireo komity mpanisa mpifidy (CLRE) ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene, ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’ny paikady fanentanana ampiasain’ny fokontany any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny fivoriam-pokonolona sy ny fitetezana isan-tokantrano. Manampy izany ny fametrahana petadrindrina amin’ny toerana be mpandalo, toy ny amin’ny toby fantsakana rano iombonana.
Nahomby izany ho an’ny fokontany Amparihy fa nahatratra 244 ireo voasoratra anarana, raha 37 kosa izany ho an’ny tao Bazaribe, tao ana­tin’ny 10 andro nanombohana. Anisan’ny entanina amin’izany ireo vao feno 18 taona sy ireo tsy tafiditra tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana teo aloha.

Fifidianana depiote sy ben’ ny Tanàna
Natao ho fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna ary ny mpanolontsain’ny Tanàna izany lisi-pifidianana izany. Efa samy tapitra fe-potoam-piasana amin’ny taona ho avy io avokoa izy ireo.
Nambaran’ny filohan’ny Ceni fa tsy maintsy atao ny fomba rehetra hahamarina araka izay tratra ny fisoratana anaran’ny mpifidy. “Tokony samy ho voasoratra avokoa ny olompirenena manan-jo rehetra”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: